Vondrona LOVA
Etsy ange ise e !
Fantatr'ise ve fa mpandray anjara feno ise ato amin'ny tranonkala ?
Ahoana izany ?
Manomboka izao, dia azon'ise atao ny mameno ity takelaka ity miaraka aminay. Izy ity mantsy tsy vita raha tsy ifandrimbonana e !
Salama Tompoko !
Salama tompoko! Ny adala tokoa no tsy mahalala ny soa atao azy fa izahay kosa dia mahatsiaro ireo finiavanareo nandalo ka niofana ny kabary tato amin'ny vondrona LO.V.A. ny hasoan'Andriamanitra anie iara-dalana aminareo ka hampitombo ny fahalalanareo.
Ry sakaiza !Ny jaolahy mita rano hono atrehi-mahavita iamboha mahefa. Ambara mandrakariva fa ny tanora no ho avin'ny firenena ka izahay ato amin'ny LOVA dia mieritreritra fa "ny kolontsaina voakolo no miantoka ny ho avin'ito fireneko" noho izany dia tsy hitsako ny voamanadino izahay fa hitelina kosa ny voamatsiahy ka matsiaro fa LOHARANO FANAJA SY VAZO AVO ny kolontsaina Malagasy ka mendrika ny hasandratra. Iza no hanandratra izany? tsy iza tsy akory fa isika izay ambara fa ho avin'ny firenena, ny hafatra tiana hampitaina dia ny hoe "izay mitambatra vato,izay misaraka fasika" misaotra r'ilay be fahendrena sy mpitia serasera. |
Sombin-kabary
Tompoko tsy satrin'ny angady,hono, ny hamadika ny bainga fa tsy
afa-manohitra rehefa asesikin'ny tanana, ny hanoratra etoana dia tsy haitraitrako na ditrako raha ditrako mantsy dia tsy eto no tokony hisy ahy. |
